Genesisy 12:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Ary nisy mosary teo amin’ilay tany, ka nidina nankany Ejipta i Abrama mba hivahiny tany,+ satria mafy ny mosary teo amin’ilay tany nisy azy.+ Genesisy 26:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 26 Ary nisy mosary teo amin’ilay tany, ankoatra ilay mosary voalohany tamin’ny andron’i Abrahama.+ Ary i Isaka lasa nankany amin’i Abimeleka mpanjakan’ny Filistinina, tany Gerara.+ Genesisy 47:4 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 4 Ary hoy koa ireo taminy: “Tonga hivahiny eto izahay.+ Any Kanana mantsy tsy misy ahitra hohanin’ny andian’ondrin’ny mpanomponao,+ fa mafy ny mosary any.+ Koa mba avelao hipetraka ao Gosena+ re ny mpanomponao e!” Rota 1:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 1 Tamin’ny andro nitondran’ny mpitsara,+ dia nisy mosary+ teo amin’ilay tany. Koa niala tany Betlehema+ any Joda ny lehilahy iray mba honina tany ambanivohitr’i Moaba,+ niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
10 Ary nisy mosary teo amin’ilay tany, ka nidina nankany Ejipta i Abrama mba hivahiny tany,+ satria mafy ny mosary teo amin’ilay tany nisy azy.+
26 Ary nisy mosary teo amin’ilay tany, ankoatra ilay mosary voalohany tamin’ny andron’i Abrahama.+ Ary i Isaka lasa nankany amin’i Abimeleka mpanjakan’ny Filistinina, tany Gerara.+
4 Ary hoy koa ireo taminy: “Tonga hivahiny eto izahay.+ Any Kanana mantsy tsy misy ahitra hohanin’ny andian’ondrin’ny mpanomponao,+ fa mafy ny mosary any.+ Koa mba avelao hipetraka ao Gosena+ re ny mpanomponao e!”
1 Tamin’ny andro nitondran’ny mpitsara,+ dia nisy mosary+ teo amin’ilay tany. Koa niala tany Betlehema+ any Joda ny lehilahy iray mba honina tany ambanivohitr’i Moaba,+ niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.