4 Dia avelako hikiribiby amin’ny heviny i Farao+ ka tsy maintsy hanenjika an’ireo izy. Koa hahazo voninahitra aho noho ny amin’i Farao sy ny tafiny rehetra.+ Ary ho fantatry ny Ejipsianina tokoa fa izaho no Jehovah.”+ Dia nataon’ny zanak’Israely izany.
10 Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny ranon’ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, rehefa nivoaka avy tany Ejipta ianareo.+ Renay koa ny nanaovanareo ny mpanjaka roan’ny Amorita teny ampitan’i Jordana, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo tanteraka.+
20 Ary hoy ny olona tao Beti-semesy: “Iza no ho afaka hankeo anatrehan’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina?+ Tsy afaka miala amintsika ve izy ka mankany an-kafa?”+
19 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô,+ vonjeo eo an-tanany izahay,+ mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!”+