2 Tantara 30:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Koa lasa ireo mpihazakazaka,+ ka nitety tanàna nanerana ny tanin’i Efraima+ sy Manase hatrany Zebolona. Naneso sy nanaraby azy ireo foana anefa ny olona.+ 2 Tantara 36:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+ Jeremia 20:7 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 7 Nofitahinao aho, Jehovah ô, ka voafitaka. Nampiasa ny herinao tamiko ianao, ka nandresy.+ Ataon’ny olona ho fihomehezana foana aho, sady esoin’izy rehetra.+
10 Koa lasa ireo mpihazakazaka,+ ka nitety tanàna nanerana ny tanin’i Efraima+ sy Manase hatrany Zebolona. Naneso sy nanaraby azy ireo foana anefa ny olona.+
16 Nataon’izy ireo ho fihomehezana+ foana anefa ny irak’Andriamanitra, ary nataony tsinontsinona ny tenin’Andriamanitra,+ sady nesoiny+ ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’i+ Jehovah tamin’ny olony, ka tsy nisy fanafany intsony.+
7 Nofitahinao aho, Jehovah ô, ka voafitaka. Nampiasa ny herinao tamiko ianao, ka nandresy.+ Ataon’ny olona ho fihomehezana foana aho, sady esoin’izy rehetra.+