24 Toy ny vodivary levon’ny lelafo+ sy ny ahitra maina izay kilan’ny afo, dia toy izany koa fa ho toy ny fofona maimbo lo ny fakan’izy ireo sy ny fotony,+ ary ho toy ny vovoka ny felany. Nanda ny lalàn’i Jehovah Tompon’ny tafika mantsy izy ireo,+ sady tsy niraharaha ny tenin’Ilay Masin’ny Israely.+
20 Amin’izany andro izany, dia tsy hiantehitra intsony amin’ilay namely azy+ ny sisa tavela amin’i Israely,+ sy ny sisa miangana amin’ny taranak’i Jakoba. Fa i Jehovah Ilay Masin’ny Israely+ kosa no tena hianteheran’izy ireo.+
5 “Tsy maty vady mantsy ny Israely sy Joda+ fa mbola vadin’ilay Andriamaniny, dia i Jehovah Tompon’ny tafika.+ Ary tena meloka tanteraka ny tanin’ny Kaldeanina eo anatrehan’Ilay Masin’ny Israely.+
7 Hampahafantariko eo amin’ny Israely oloko ny anarako masina, ary tsy havelako hozimbazimbaina intsony izany anarako masina izany.+ Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah,+ Ilay Masina eo amin’ny Israely.’+