18 Ny oloko hipetraka ao amin’ny fonenana anjakan’ny fiadanana, sy ao amin’ny toerana tsy ananana ahiahy tanteraka, ary ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra tsy misy manelingelina.+
12 Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Hataoko mikoriana eo aminy toy ny renirano ny fiadanana,+ ary ny voninahitry ny firenena ho toy ny riaka be.+ Dia hinono ianareo.+ Hosakelehina koa ianareo, ary hosafosafoina eo am-pofoana.+