-
Nehemia 8:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary niteny toy izao tamin’ny olona rehetra i Nehemia+ Governora,+ sy Ezra+ mpisorona sady mpanao dika soratra, ary ny Levita izay nampianatra ny vahoaka: “Masina amin’i Jehovah Andriamanitrareo ity andro anio ity.+ Koa aza malahelo na mitomany.”+ Nitomany daholo mantsy ny olona, teo am-pihainoana izay voalazan’ny lalàna.+
-
-
Joela 2:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Aoka ny mpisorona mpanompon’i Jehovah hitomany eo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara,+ ka hanao hoe: ‘Aoka ianao halahelo ny olonao, Jehovah ô, ary aza avela ho afa-baraka ny lovanao+ ka hanjakan’ireo firenen-kafa. Nahoana izy ireo no hilaza any amin’ireo firenena hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”’+
-