8 Ary nitebiteby+ i Farao nony maraina, ka nampanantsoiny avokoa ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina+ sy ny olon-kendry+ tao Ejipta. Dia notantarainy tamin’ireo ny nofiny,+ nefa tsy nisy nahalaza ny heviny.
27 Dia hoy ny navalin’i Daniela teo anatrehan’ny mpanjaka: “Ilay zava-miafina nanontanian’ny mpanjaka dia tsy misy olona mahalaza azy, na ny olon-kendry, na ny mpila hevitra amin’ny maty, na ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina na ny mpanandro.+
7 “Dia niditra ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina+ ary ny mpanandro.+ Ary nolazaiko tamin’izy ireo ilay nofy, nefa tsy nahalaza ny hevitr’ilay nofy tamiko ireo.+