9 nefa izao mihitsy no teniny tamiko: “Ampy+ anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa lavorary ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.”+ Koa aleoko àry mirehareha ny amin’ny fahalemeko,+ mba hitoetra eo amiko toy ny tranolay ny herin’i Kristy.
17 Ny Tompo kosa nijoro teo anilako+ ka nankahery ahy,+ mba hotanterahina an-tsakany sy an-davany amin’ny alalako ny asa fitoriana, ary mba handre izany ny firenena rehetra.+ Ary nafahana avy tamin’ny vavan’ny liona+ aho.