Joba
11 Dia namaly i Zofara Namatita+ hoe:
2 “Tsy hovaliana ve ny teny maro be toy izany?
Ary hanana ny marina ve ny mpirehareha?
6 Dia holazainy aminao ny tsiambaratelon’ny fahendrena,
Fa maro ny zavatra raketin’ny fahendrena!
Ho fantatrao koa fa tsy mitadidy ny fahadisoanao sasany Andriamanitra.+
7 Hahafantatra ny zava-dalin’Andriamanitra ve ianao,+
Sa hahafantatra ny fetran’ny fahalehibeazan’ilay Mahery Indrindra?
8 Avo noho ny lanitra izany, ka hahavita inona ianao?
Lalina noho ny toeran’ny maty*+ izany, ka inona no ho fantatrao?
9 Lehibe noho ny tany izany,
Ary midadasika noho ny ranomasina.
10 Raha mandalo Izy ka misambotra olona
Ary mampiantso fitsarana, dia iza no hahatohitra azy?
12 Hanam-pahalalana ny olona tsy misy saina,
Raha miteraka olombelona ny zebra.
13 Omano ny fonao,
Ary asandrato ho amin’Andriamanitra ny tananao.+
14 Raha misy zava-dratsy eo an-tananao, dia ario lavitra izany,
Ary aza avela hisy tsy fahamarinana hitoetra ao amin’ny tranolainao.
16 Fa hohadinoinao ny fahoriana,
Ary toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.