-
Genesisy 41:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ary hoy i Farao tamin’i Josefa: “Nanonofy aho, saingy tsy misy mahay manazava ny dikany. Henoko anefa hoe rehefa misy nofy lazaina aminao, dia hainao ny manazava ny dikany.”+ 16 Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: “Fa inona moa izay izaho? Andriamanitra ihany no hilaza amin’i Farao an’izay mahasoa azy.”+
-
-
Daniela 2:45Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
45 Araka ilay hitanao mantsy, dia nisy vato nendahana avy tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahana tamin’ny tanana. Dia notorotoroin’ilay vato ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy, ary ny volamena.+ Koa nampahafantarin’ilay Andriamanitra Be Voninahitra tamin’ny mpanjaka ny zavatra hitranga any aoriana any.+ Tsy maintsy ho tanteraka ilay nofy, ary azo itokisana ny dikany.”
-