10 “‘Raha misy amin’ny taranak’Israely na ny hafa firenena monina eo aminareo, mihinana ra, na ran’inona izany na ran’inona,+ dia hanohitra an’ilay olona nihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
13 “‘Raha misy amin’ny Israelita na ny hafa firenena monina eo aminareo mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin’ny tany ny rany,+ ka hototofany vovoka.
29 Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy,+ sy ny ra,+ sy ny biby nokendaina,*+ ary ny fijangajangana.*+ Handray soa ianareo raha mifady an’ireo zavatra ireo foana. Mirary soa ho anareo izahay!”*
25 Ny amin’ireo hafa firenena izay lasa mpino kosa, dia efa nandefasanay taratasy misy ny fanapahan-kevitray izy ireo hoe tokony hifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy,+ sy ny ra+ sy ny biby nokendaina*+ ary ny fijangajangana.”*+