-
Genesisy 19:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Azafady re e! Mba akaikikaiky irỳ tanàna irỳ, ka vitako ny mandositra mankeny. Toerana kely koa io. Mahazo mandositra eny ve aho, azafady? Tanàna kely ange io e! Dia amin’izay aho tsy ho faty.” 21 Dia hoy izy taminy: “Eny àry! Noho ianao+ dia tsy horavako io tanàna resahinao io.+ 22 Mandehana haingana mandositra ao, fa tsy afaka manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao!”+ Izany no nahatonga azy hiantso an’ilay tanàna hoe Zoara.*+
-