Genesisy 16:9, 10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Ary hoy ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Miverena any amin’ny tompovavinao, dia manetre tena eo anatrehany.” 10 Hoy koa ilay anjelin’i Jehovah: “Hataoko lasa be dia be ny taranakao, ka tsy ho voaisa satria be loatra.”+ Genesisy 17:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Efa henoko anefa izany teninao momba an’i Ismaela izany. Hotahiko koa izy, ka hataoko manan-taranaka sady hataoko lasa be dia be mihitsy ny taranany. Hiteraka mpiadidy 12 izy, ka hataoko lasa firenena lehibe.+ Genesisy 25:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Izao no tantaran’i Ismaela+ zanakalahin’i Abrahama, izay naterak’i Hagara+ Ejipsianina, mpanompovavin’i Saraha: Genesisy 25:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 Ireo no zanakalahin’i Ismaela, ary ireo no anarany araka ny tanànany avy sy ny tobiny,* izany hoe mpiadidy 12, araka ny fokony avy.+
9 Ary hoy ilay anjelin’i Jehovah taminy: “Miverena any amin’ny tompovavinao, dia manetre tena eo anatrehany.” 10 Hoy koa ilay anjelin’i Jehovah: “Hataoko lasa be dia be ny taranakao, ka tsy ho voaisa satria be loatra.”+
20 Efa henoko anefa izany teninao momba an’i Ismaela izany. Hotahiko koa izy, ka hataoko manan-taranaka sady hataoko lasa be dia be mihitsy ny taranany. Hiteraka mpiadidy 12 izy, ka hataoko lasa firenena lehibe.+
12 Izao no tantaran’i Ismaela+ zanakalahin’i Abrahama, izay naterak’i Hagara+ Ejipsianina, mpanompovavin’i Saraha:
16 Ireo no zanakalahin’i Ismaela, ary ireo no anarany araka ny tanànany avy sy ny tobiny,* izany hoe mpiadidy 12, araka ny fokony avy.+