-
Genesisy 23:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 ka niteny hoe: “Raha manaiky ianareo ka avelanareo handevina ny vadiko aho, dia mba henoy aho. Reseo lahatra i Efrona zanak’i Zohara 9 mba hivarotra amiko an’ilay lava-batony ao Makpela, eo amin’ny sisin’ny sahany. Asaivo amidiny amiko eto anatrehanareo araka izay tena vidiny+ ilay izy, amin’izay aho mba manana tany hataoko toeram-pandevenana.”+
-
-
Genesisy 49:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Taorian’izay, dia namela hafatra tamin’izy ireo izy hoe: “Kely sisa aho dia hangonina any amin’ny razambeko.*+ Aleveno miaraka amin’ny razambeko aho, ao amin’ilay lava-bato eo amin’ny sahan’i Efrona Hetita,+ 30 dia ilay lava-bato eo amin’ilay saha ao Makpela tandrifin’i Mamre, any Kanana. Io ilay saha novidin’i Abrahama tamin’i Efrona Hetita mba hataony toeram-pandevenana.
-