-
Genesisy 26:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nanomboka namafy voa tao amin’izany tany izany i Isaka. Ary nahatratra avo 100 heny ny vokatra azony tamin’io taona io, satria notahin’i Jehovah izy.+ 13 Dia lasa nanan-karena i Isaka, ary nitombo be ny fananany, ka vao mainka lasa mpanankarena be izy. 14 Nahazo andian’ondry sy andian’omby ary mpanompo maro be izy,+ ka lasa nialona azy ny Filistinina.
-