-
Genesisy 46:33, 34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Rehefa mampiantso anareo àry i Farao ka manontany hoe: ‘Inona no asanareo?’, 34 dia lazao hoe: ‘Efa mpiompy foana izahay mpanomponao hatramin’ny fahazazanay ka hatramin’izao, na izahay na ny razambenay.’+ Amin’izay ianareo ho afaka hipetraka eto Gosena,+ satria maharikoriko amin’ny Ejipsianina ny mpiandry ondry rehetra.”+
-
-
Eksodosy 10:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Fa hoy i Mosesy: “Ianao mihitsy no hanome anay* biby hatao sorona sy fanatitra dorana, ary hanolotra an’izany ho an’i Jehovah Andriamanitray izahay.+ 26 Hiaraka aminay koa ny biby fiompinay. Tsy misy azo ajanona na biby* iray aza, satria avy amin’ireny no hakanay hatao fanatitra hanompoana an’i Jehovah Andriamanitray. Mbola tsy fantatray koa izay hatolotray ho an’i Jehovah raha tsy efa tonga any izahay.”
-