8 Novonjen’Andriamanitra ihany anefa izy ireo noho ny anarany,+
Mba hampahafantarana ny heriny.+
9 Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra.
Nentiny namakivaky rano lalina toy ny mamakivaky tany efitra+ izy ireo;
10 Namonjy azy ireo teo an-tanan’izay mankahala azy izy,+
Sady nanavotra azy teo an-tanan’ny fahavalo.+
11 Saron’ny rano ny fahavalony,
Ka tsy nisy tafavoaka velona na iray aza.+