34 Fa alaiko avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny Israelita ny tratra izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe izay atao anjara masina, ka homeko an’i Arona mpisorona sy ny zanany lahy. Fitsipika tokony harahin’ny Israelita foana izany.+
14 Hohaninareo ao amin’ny toerana madio koa ny tratra atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe atao anjara masina.+ Ianao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy no hihinana an’izany.+ Izany mantsy no anjara nomena anao sy ny zanakao avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny Israelita.