31 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Ho menaka masina fanosorana izy io, ary hampiasaina amin’ny fanompoana ahy foana hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.+ 32 Tsy azo ahosotra amin’ny vatana io menaka io. Ary aza manamboatra menaka mitovy amin’izy io. Zava-masina izy io, ary ho masina foana aminareo.