-
Eksodosy 35:30-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Dia hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: “Efa nofidin’i Jehovah i Bezalila zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda.+ 31 Nofenoin’Andriamanitra ny fanahiny izy, ka nomeny fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana asa tanana isan-karazany. 32 Amin’izay izy afaka manao zava-kanto, manefy volamena sy volafotsy ary varahina, 33 manefy vatosoa hatao ao anaty tranotranony, ary manao taozavatra kanto isan-karazany vita amin’ny hazo. 34 Ary efa nataony tao am-pon’i Bezalila ny fahaiza-mampianatra. Dia hampianatra izy sy Oholiaba+ zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana.
-