-
Levitikosy 2:3-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia ho an’i Arona sy ny zanany lahy ny ambin’ilay fanatitra varimbazaha,+ ho zavatra masina indrindra+ avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
4 “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lafaoro no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto izany. Mofo boribory* tsy misy lalivay* sady nafangaro menaka no hatolotrao, na mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka.+
5 “‘Raha fanatitra varimbazaha nandrahoina tao anaty lasitra no aterinao,+ dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto tsy misy lalivay sady nafangaro menaka. 6 Hotapatapahina izany ary horarahanao menaka.+ Fanatitra varimbazaha izany.
7 “‘Raha fanatitra varimbazaha nendasina tao anaty lapoaly no aterinao, dia tokony hatao amin’ny lafarinina tsara toto nasiana menaka.
-