36 Hanolotra ombilahy atao fanatitra noho ny ota ianao isan’andro ho fandrakofam-pahotana. Ary diovy ho afaka amin’ny ota ny alitara ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy io, ary hosory menaka izy io mba ho masina.+
11 Fa ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.+ Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra+ mba handrakofana ny fahotanareo. Ny ra mantsy no mandrakotra fahotana+ satria ao aminy ny aina.