-
Levitikosy 15:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “‘Rehefa tsy misy tsiranoka mivoaka intsony amin’ilay olona ka tsy mandoto azy intsony ilay izy, dia hiandry fito andro izy vao hidio. Dia hanasa ny akanjony izy ary handro amin’ny rano mandeha, ka hadio.+ 14 Haka domohina roa na zana-boromailala roa izy amin’ny andro fahavalo,+ ka hankeo anatrehan’i Jehovah eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. Ary homeny ny mpisorona izany.
-