-
Romanina 1:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Izany no nahatonga an’Andriamanitra hamela azy hanaram-po amin’ny filan’ny nofo maharikoriko.+ Tsy ny fanao voajanahary intsony mantsy no nataon’ny vehivavy teo aminy, fa ny fanao tsy voajanahary.+ 27 Ny lehilahy koa lasa tsy nanao ny fanao* voajanahary amin’ny vehivavy intsony. Lasa nahery loatra mantsy ny filana tao amin’izy samy lehilahy+ ka nanao zavatra mamoafady izy samy izy. Dia hiharan’ny sazy* sahaza azy izy ireny, noho ny fahadisoany.+
-
-
1 Korintianina 6:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Sa tsy fantatrareo fa tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?+ Aza manaiky ho voafitaka* ianareo. Fa ny mpijangajanga,*+ ny mpanompo sampy,+ ny mpanitsakitsa-bady,+ ny lehilahy manaiky hanaovan’ny lehilahy firaisana,+ ny lehilahy miray amin’ny lehilahy,*+ 10 ny mpangalatra, ny olona manana faniriana tsy mety afa-po,+ ny mamo lava,+ ny mpanevateva,* ary ny mpanao an-keriny, dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra.+
-
-
Joda 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nanao hoatran’ireny anjely ireny koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna nanodidina azy. Nanaram-po tamin’ny fijangajangana* tena mamoafady mantsy izy ireo, sady nanatanteraka ny fanirian’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.+ Afo maharitra mandrakizay* no saziny, ka lasa anatra ho antsika izy ireo.+
-