-
Levitikosy 7:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “‘Izao kosa no lalàna momba ny sorona iombonana+ azon’ny olona atolotra ho an’i Jehovah: 12 Raha ho fisaorana no anolorana azy,+ dia ireto avy no hampiarahina amin’ilay sorona: Mofo boribory* tsy misy lalivay sady nafangaro menaka, sy mofo fisaka tsy misy lalivay sady nohosorana menaka, ary mofo boribory natao tamin’ny lafarinina tsara toto efa vonto menaka sady nafangaro menaka.
-