-
Levitikosy 25:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 “‘Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tanàna misy manda, dia hanan-jo hanavotra an’izany foana izy mandra-pahatapitry ny herintaona, manomboka amin’ny fotoana naharaikitra an’ilay varotra. Haharitra herintaona katroka ny zony hanavotra an’izany.+ 30 Fa raha tapitra ny herintaona, nefa tsy nisy nanavotra ilay trano ao anaty tanàna misy manda, dia ho fananan’ilay olona nividy sy ny taranany fara aman-dimby ilay trano. Ho lasany izany, fa tsy haverina amin’ny tompony intsony rehefa tonga ny Jobily.
-