-
Deoteronomia 11:13-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “Ary raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny didy izay andidiako anareo anio ianareo, ka tia an’i Jehovah Andriamanitrareo sy manompo azy amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo,+ 14 dia handatsaka orana ara-potoana eo amin’ny taninareo izy,* dia oram-pararano* sy oran-dohataona.* Dia hanangona ny varimbazahanareo sy ny divay vaovao ary ny menakareo ianareo.+ 15 Hampaniry zavamaniry ho an’ny biby fiompinareo eny amin’ny sahanareo koa izy, ary hihinan-kanina ianareo ka ho voky.+
-