12 Hosokafan’i Jehovah ho anao ny lanitra, izay fitehirizany vokatra be dia be, ka handatsaka orana ara-potoana eo amin’ny taninao izy+ sady hitahy an’izay rehetra ataonao. Dia hampindrana zavatra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hindrana.+
23 Hanome ranonorana ho an’ny voa afafinao amin’ny tany Izy,+ ary sakafo tsara sy be dia be* no ho vokatry ny tany.+ Hiraoka ahitra eny amin’ny kijana malalaka be ny biby fiompinao,+ amin’izany andro izany.
26 Ary hataoko mahazo fitahiana* izy ireo sy ny faritra manodidina ny havoanako.+ Hataoko milatsaka ara-potoana koa ny orana. Dia hirotsaka hoatran’ny orana ny fitahiana.+