-
Deoteronomia 1:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Tsy nety niakatra anefa ianareo, fa nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah Andriamanitrareo.+ 27 Dia nimenomenona foana ianareo tao an-tranolainareo, hoe: ‘Halan’i Jehovah isika matoa nentiny nivoaka avy tany Ejipta, mba hatolony ho eo am-pelatanan’ny Amorita dia haringan’izy ireo. 28 Koa inona no mbola handehanantsika any amin’izany toerana izany? Efa nampihorohoro ny fontsika* mantsy ny rahalahintsika+ rehefa nilaza hoe: “Vaventy sy lava noho isika ry zareo. Lehibe koa ny tanànany sady misy manda manakatra ny lanitra.*+ Hitanay tany koa ny taranaky ny Anakita.”’+
-