-
Nomery 32:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Ireto àry no nomen’i Mosesy ho an’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase+ zanak’i Josefa: Ny fanjakan’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita sy ny fanjakan’i Oga+ mpanjakan’i Basana, izany hoe ny tany ao amin’ireo tanàna ao anatin’ireo faritra ireo, ary ny tanàna any amin’ny faritra manodidina.
-
-
Josoa 12:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Nandresy an’ireo mpanjaka tao amin’ilay tany ny Israelita, ka nalain’izy ireo ny tanin’izy ireny, izay teny atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, manomboka eo amin’ny Lohasahan’i* Arnona+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hermona,+ sy ny ilany atsinanana amin’i Araba manontolo.+ Ireto avy izany mpanjaka izany:
-