-
Nomery 27:1-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Ary nanatona an’i Mosesy ny zanakavavin’i Zelofada,+ zanakalahin’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakaviamben’i Manase zanak’i Josefa. Ireto avy ny anaran’ireo zanany vavy ireo: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza. 2 Dia nijoro teo anatrehan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy ny mpiadidy+ ary ny vahoaka manontolo izy ireo, teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ka niteny hoe: 3 “Maty tany an-tany efitra ny rainay, nefa izy tsy anisan’ireo olona nanohitra an’i Jehovah niaraka tamin’ny mpanohana an’i Kora.+ Maty noho ny fahotany ihany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy. 4 Dia ny anaran’ny rainay ve dia hofoanana tsy ho eo amin’ny fianakaviany, satria hoe tsy nanan-janakalahy izy? Mba omeo lova koa izahay, hoatran’ny rahalahin-drainay.” 5 Dia nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha.+
6 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: 7 “Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada. Tena tokony homenao lova eo amin’ny rahalahin-drainy izy ireo. Afindrao aminy àry ny lovan’ny rainy.+
-