-
Eksodosy 4:14-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia tezitra be tamin’i Mosesy i Jehovah, ka niteny hoe: “Ianao angaha moa tsy manana an’i Arona+ Levita rahalahinao? Fantatro fa tena mahay miteny izy. Efa eny an-dalana hitsena anao izy izao, ary ho faly ny fony rehefa mahita anao.+ 15 Koa miresaha aminy ary lazao aminy ny teny rehetra tokony holazaina.+ Dia hampiako ianao sy izy rehefa miteny,+ ary hatoroko anareo izay tokony hataonareo. 16 Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo vava anao. Ho mpitondra teninao izy, ary ianao kosa ho toy ny hoe Andriamanitra* eo anatrehany.+
-
-
Eksodosy 15:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia naka ampongatapaka i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona. Ary nitondra ampongatapaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra sady nandihy.
-