-
Levitikosy 21:10-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “‘Ny mpisoronabe eo amin’ny rahalahiny dia tsy hamela ny volony hisavoritaka na handrovitra ny akanjony.+ Efa nandrarahana menaka masina fanosorana mantsy ny lohany,+ ary efa voatendry* hanao ny akanjon’ny mpisorona izy.+ 11 Tsy tokony hanakaiky olona* maty izy,+ ary tsy mahazo mandoto ny tenany na dia ny rainy sy ny reniny aza no maty. 12 Tsy hivoaka ny toerana masina izy, na hanazimbazimba ny toerana masin’ny Andriamaniny,+ satria eo aminy ilay famantarana hoe voatokana izy, dia ilay menaka fanosorana avy amin’ny Andriamaniny.+ Izaho no Jehovah.
-