5 Raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ankehitriny ka manaja ny fifanekena hataoko aminareo, dia ho fananako manokana* hofidiko avy amin’ny firenena rehetra tokoa ianareo,+ satria ahy ny tany manontolo.+
6 Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo, ary nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.*+