-
Eksodosy 19:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Rehefa nihamafy ny feon’ilay anjombona, dia niteny i Mosesy ary namaly azy ny feon’ilay tena Andriamanitra.
-
-
Deoteronomia 4:10-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Fa tamin’ianao nijoro teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Vorio ho etỳ amiko ny vahoaka fa tiako hihaino ny teniko,+ mba hianarany hatahotra ahy+ mandritra ny andro rehetra hiainany eo amin’ilay tany, ary mba hampianarany ny zanany.’+
11 “Dia nanatona ianareo, ka nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra. Ary nirehitra ilay tendrombohitra, ka nisy afo nanakatra ny lanitra,* sady nisy haizina sy rahona ary haizim-pito.+ 12 Dia niteny taminareo avy tao anaty afo i Jehovah,+ ka naheno feo ianareo saingy tsy nahita an’ilay niteny.+ Feo ihany no henonareo.+ 13 Ary nolazainy taminareo ilay fifanekena nasainy harahinareo,+ dia ny Didy Folo.*+ Nosoratany teo amin’ny takela-bato roa ilay izy avy eo.+
-