28“Alaivo avy amin’ny Israelita i Arona+ rahalahinao sy ny zanany lahy,+ izany hoe i Nadaba, Abiho,+ Eleazara, ary Itamara,+ mba hanao ny asan’ny mpisorona eo anatrehako.+
10 Ary tendreo hanao ny asan’ny mpisorona+ i Arona sy ny zanany lahy. Hovonoina ho faty izay olona tsy nahazo alalana* nefa manakaiky ny toerana masina.”+
8 “Tamin’izay fotoana izay, dia natokan’i Jehovah ny fokon’i Levy+ mba hilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ sy hanompo eo anatrehan’i Jehovah, ary hitso-drano amin’ny anarany,+ hoatr’izao ataon’izy ireo androany izao.