-
Josoa 12:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 I Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, izay nipetraka tao Hesbona. Nanjaka tao Aroera+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona izy.+ Avy eo afovoan’io lohasaha io ny faritra nanjakany, ka hatrany amin’ny antsasak’i Gileada eo amin’ny Lohasahan’i* Jaboka, izay sisin-tanin’ny Amonita. 3 Nanjaka teo amin’ny ilany atsinanana amin’i Araba koa izy, nanomboka teo amin’ny Ranomasin’i Kinereta*+ ka hatrany amin’ny Ranomasin’i Araba, izany hoe ny Ranomasin-tsira,* miantsinanana mankany Beti-jesimota, ary mianatsimo eo am-pototry ny tehezan-kavoanan’i Pisga.+
-