-
Deoteronomia 21:18-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Raha misy lehilahy manan-janaka mafy loha sy mpikomy, sady tsy mankatò ray na reny,+ ary efa niezaka ry zareo nanitsy azy saingy tsy nety nihaino izy,+ 19 dia tokony hitondra azy any amin’ny anti-panahy eo am-bavahadin’ny tanànany ny rainy sy ny reniny. 20 Ary hilaza amin’ny anti-panahy ao an-tanànany ry zareo hoe: ‘Mafy loha sy mpikomy ity zanakay ity sady tsy mety mankatò anay. Izy koa tendan-kanina+ sady mamo lava.’+ 21 Dia hitora-bato azy ho faty ny olon-drehetra ao an-tanànany. Koa esory eo aminao ny ratsy. Ary haheno an’izany ny Israely rehetra ka hatahotra.+
-