-
Deoteronomia 21:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “Raha misy olona manao fahotana azo anamelohana azy ho faty, ka novonoina+ izy ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo,+ 23 dia tsy tokony hajanona eo mandritra ny alina ny fatiny,+ fa tokony halevina amin’iny andro iny ihany. Voaozon’Andriamanitra mantsy izay mihantona eo amin’ny tsato-kazo.+ Tsy tokony holotoinao ny taninao, izay homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.+
-
-
Josoa 8:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Ny mpanjakan’i Ay kosa nahantony tamin’ny tsato-kazo,* mandra-paharivan’ny andro. Rehefa hilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa nampidinina avy teo amin’ilay tsato-kazo ny fatiny.+ Dia natsipy teo amin’ny vavahady fidirana amin’ilay tanàna ny fatiny, ary nasiana vato be dia be mivangongo teo amboniny. Mbola ao izany hatramin’izao.
-