-
Nomery 21:33, 34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Nivily lalana izy ireo avy eo, ka niakatra nanaraka an’ilay Lalan’i Basana. Dia nivoaka hiady tamin’izy ireo tao Edrehy+ i Oga+ mpanjakan’i Basana sy ny tafiny manontolo. 34 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Aza matahotra azy+ fa hataoko resinao izy sy ny tafiny manontolo ary homeko anao ny taniny.+ Hataonao hoatran’i Sihona izy, dia ilay mpanjakan’ny Amorita nipetraka tao Hesbona.”+
-
-
Deoteronomia 3:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia nataon’i Jehovah Andriamanitsika resintsika koa i Oga mpanjakan’i Basana sy ny tafiny manontolo. Dia nasiantsika ry zareo ka nataontsika tsy nisy niangana na iray aza.
-
-
Josoa 9:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia hoy izy ireo: “Avy any an-tany lavitra be izahay mpanomponao,+ ary tonga atỳ noho ny amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao. Efa henonay mantsy ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta,+ 10 ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka amorita roa teny ampitan’i* Jordana, dia i Sihona+ mpanjakan’i Hesbona sy Oga+ mpanjakan’i Basana, ilay tao Astarota.
-