-
Deoteronomia 31:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Vorio daholo ny vahoaka,+ dia ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy,* ary ny vahiny mipetraka ao an-tanànanareo.* Dia amin’izay izy ireo hihaino sy hianatra momba an’i Jehovah Andriamanitrareo ary hatahotra azy, ka hanaraka tsara an’izay rehetra voalazan’ity Lalàna ity. 13 Dia hihaino sy hianatra hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo ny zanany izay tsy mahafantatra an’ity Lalàna ity,+ mandritra ny androm-piainanareo ao amin’ilay tany halainareo ho fanananareo eny ampitan’i Jordana.”+
-