-
1 Tantara 11:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Tatỳ aoriana, dia nandeha nankany Jerosalema, izany hoe Jebosa,+ i Davida sy ny Israely rehetra. Ny Jebosita+ no nipetraka tao tamin’izany. 5 Nanesoeso an’i Davida ny mponin’i Jebosa hoe: “Tsy ho tafiditra eto mihitsy ianao!”+ Azon’i Davida ihany anefa i Ziona,+ ilay tanàna voaro mafy, ilay lasa nantsoina hoe Tanànan’i Davida.+ 6 Dia hoy i Davida: “Izay mamely voalohany an’ireo Jebosita ireo, dia ho lehiben’ny* tafika sy ho andriana.” I Joaba+ zanak’i Zeroia no niakatra voalohany, ka izy no lasa lehiben’ny tafika.
-