-
1 Tantara 16:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nampidirina tao amin’ny tranolay àry ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra ka napetraka tao.+ Natsangan’i Davida ho an’ilay Vata io tranolay io. Dia nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.+ 2 Rehefa avy nanolotra ny fanatitra dorana+ sy ny sorona iombonana+ i Davida, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Jehovah. 3 Samy nizarany mofo boribory sy mofo antrendry ary mofo vita tamin’ny voaloboka maina koa ny Israelita rehetra, na lahy na vavy.
-