-
1 Tantara 17:11-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “‘“Rehefa tapitra ny andronao ka lasa any amin’ny razambenao ianao, dia hotendreko ho mpanjaka handimby anao ny taranakao, dia ny iray amin’ny zanakao lahy.+ Ary hataoko mafy orina ny fanjakany.+ 12 Izy no hanorina trano ho ahy.+ Ary hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany.+ 13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako.+ Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho,+ fa tsy hanao hoatran’ny nataoko tamin’ilay talohanao.+ 14 Hataoko mipetraka eo amin’ny seza fiandrianako mandrakizay izy,+ ary haharitra mandrakizay ny fanjakany sy ny taranany.”’”+
-
-
Isaia 9:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Hitombo foana ny fahefany,* ka tsy hifarana mihitsy izany.
Tsy hisy farany koa ny fiadanana+
Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida+ sy ny fanjakany.
Ho mafy orina+ izy io,
Ary ny rariny+ sy ny hitsiny+ no hampaharitra azy,
Manomboka izao ka ho mandrakizay.
Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka an’izany.
-