-
Eksodosy 1:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia namaly an’i Farao ny mpampiteraka hoe: “Tsy hoatran’ny vehivavy ejipsianina ange ny vehivavy hebreo e! Matanjaka ry zareo, ka mbola tsy tonga akory ny mpampiteraka dia efa latsaka ny zanany.”
-
-
Josoa 2:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Koa naniraka olona nankany amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko mba hiteny hoe: “Avoahy ireo lehilahy tonga ato aminao, fa hitsikilo ny tany manontolo no nahatongavan-dry zareo.”
4 Nafenin’ilay vehivavy anefa izy roa lahy. Ary hoy izy: “Ie! Tonga teto amiko ireny lehilahy ireny, fa tsy fantatro hoe avy aiza ry zareo. 5 Rehefa maizina ny andro ka efa hohidiana ny vavahadin’ny tanàna, dia lasa ry zareo. Fa tsy fantatro izay nalehany. Raha enjehinareo haingana anefa ry zareo, dia ho tratranareo.”
-
-
1 Samoela 19:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nampidinin’i Mikala avy teo am-baravarankely avy hatrany i Davida, mba ho afaka handositra ka tsy hiharan-doza.
-
-
1 Samoela 19:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Naniraka olona hisambotra an’i Davida i Saoly, nefa hoy i Mikala: “Marary izy.”
-
-
1 Samoela 21:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: “Nisy zavatra nasain’ny mpanjaka nataoko, nefa nanafatrafatra izy hoe: ‘Aza atao fantatr’olona izao asa anirahako anao izao sy ny toromarika nomeko anao.’ Nanao fotoana any ananona izaho sy ireo tovolahy miaraka amiko.
-