-
1 Tantara 21:8-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Niteny tamin’ilay tena Andriamanitra àry i Davida hoe: “Tena nanao fahotana+ lehibe aho tamin’iny zavatra nataoko iny. Mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao e!+ Fa nanao hadalana be mihitsy aho.”+ 9 Dia hoy i Jehovah tamin’i Gada,+ ilay mpahita fahitana ho an’i Davida: 10 “Mandehana lazao amin’i Davida hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Omeko safidy telo ianao, dia fidio izay iray tianao hataoko aminao.”’” 11 Nankao amin’i Davida àry i Gada, ka niteny taminy hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Mifidiana ianao amin’ireto: 12 Mosary telo taona ve?+ Sa haripaky ny fahavalonao telo volana ka hasiany amin’ny sabatra?+ Sa hasian’i Jehovah amin’ny sabatra mandritra ny telo andro, izany hoe handefasany areti-mandringana eto amin’ny taninao,+ ka hisy anjelin’i Jehovah handringana+ manerana ny faritry ny Israely?’ Eritrereto tsara hoe inona no havaliko an’Ilay naniraka ahy.” 13 Dia hoy i Davida tamin’i Gada: “Sahiran-tsaina be aho. Aleoko anefa azon’ny tanan’i Jehovah, toy izay azon’ny tanan’olona.+ Tena be famindram-po mantsy izy.”+
-