-
1 Tantara 28:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia nomen’i Davida an’i Solomona zanany ny planin’ny+ tilikambo fidirana+ sy ny efitra isan-karazany, ny efitra fitehirizana entana, ny efitra any an-tampon-trano, ny efitra anatiny, ary ny trano misy ny sarony fampihavanana.*+ 12 Dia nomeny azy ny planin’ny zava-drehetra azony avy tamin’ny fanahy masina, izany hoe ny planin’ny tokotanin’ny+ tranon’i Jehovah, ny efitra fisakafoana rehetra manodidina an’ilay trano, ny fitehirizana ny zava-tsarobidy ao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, ary ny fitehirizana ny zava-tsarobidy efa nohamasinina.*+
-
-
2 Tantara 3:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia nanomboka nanorina trano ho an’i Jehovah+ tany Jerosalema i Solomona, teo amin’ny Tendrombohitra Moria.+ Teo i Jehovah no niseho tamin’i Davida rainy,+ dia teo amin’ny famoloan’i Ornana+ Jebosita, izany hoe ilay toerana efa nomanin’i Davida. 2 Nanomboka nanorina izy tamin’ny andro faharoan’ny volana faharoa, tamin’ny taona fahefatra nanjakany.
-