-
2 Tantara 4:18-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Dia nataon’i Solomona be dia be ireny fitaovana rehetra ireny. Tsy fantatra intsony izay lanjan’ny varahina.+
19 Ary nataon’i Solomona ny fitaovana rehetra+ ho an’ny tranon’ilay tena Andriamanitra: Ny alitara volamena;+ ny latabatra+ fametrahana ny mofo aseho;+ 20 ny fitoeran-jiro sy ny jirony, izay samy volamena tsy misy fangarony,+ mba hirehitra eo anoloan’ny efitra anatiny indrindra, araka izay nasaina natao; 21 ny felam-boninkazo tamin’ny fitoeran-jiro, ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro,* izay samy natao tamin’ny volamena tsara indrindra; 22 ny famonoan-jiro, ny vilia baolina, ny kaopy, ny fitondrana afo, izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny fidirana amin’ny trano, izany hoe ny varavarana anatiny mankao amin’ny Masina Indrindra+ sy ny varavaran’ny tempoly. Samy volamena daholo ireo.+
-