-
Deoteronomia 12:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Mandehana kosa any amin’izay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra mba hametrahana ny anarany sy honenany, dia any ianareo no hanompo azy.+ 6 Any ianareo no tokony hanatitra ny fanatitra dorana,+ ny sorona, ny ampahafolon-karena,+ ny fanomezana avy aminareo,+ ny fanatitra fanefana voady, ny fanatitra an-tsitrapo,+ ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.+
-
-
1 Mpanjaka 8:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Koa mba henoy ny vavak’ity mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po, ry Jehovah Andriamanitro ô! Henoy ny antso vonjy sy ny vavaka ataon’ny mpanomponao eto anatrehanao androany. 29 Enga anie ianao hijery andro aman’alina an’ity trano ity, dia ilay toerana nolazainao hoe: ‘Ho ao ny anarako’,+ ka hohenoinao ny vavaka ataon’ny mpanomponao manandrify an’ity toerana ity!+
-