-
1 Mpanjaka 21:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Nody tany an-tranony àry i Ahaba sady sosotra no kivy, noho ilay valin-tenin’i Nabota Jezirelita hoe: “Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razambeko.” Dia natory teo am-pandrianany izy, ary nitodika tany amin’ny rindrina sady tsy nety nihinan-kanina.
-
-
1 Mpanjaka 21:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Hoy i Ahaba tamin’i Elia: “Hay hitanao ihany aho, ry ilay fahavaloko!”+ Dia namaly i Elia hoe: “Ie, hitako ianao. ‘Noho ianao tapa-kevitra* hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah,+ 21 dia hahatonga loza aminao aho. Hofongorako tanteraka ny taranakao, ary haringako ny lehilahy rehetra* amin’ny ankohonanao,+ anisan’izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin’ny Israely.+ 22 Ary hataoko hoatran’ny ankohonan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata sy hoatran’ny ankohonan’i Basa+ zanak’i Ahia ny ankohonanao, noho ianao nampahatezitra ahy sady nahatonga ny Israely hanota.’
-